mardi 1 mars 2011

Ny ohabolana malagasy

Ny onja'ny fo





Voatsapa eo @ ohabolana fa onja faran'izay lalina manentana sy mampivalombalona ny fiainan-dRamalagasy manontolo ny FIHAVANANA. Aloha sy ambonin'ny zava-drehetra, mahamay azy indrindra ny hifankahazo fo @ zay mifampraharaha aminy sy ho tamana @ zava-manodidina azy: te-hifandrindra izy.
      Dia hotsikeraintsika:
1) ny lanjan'ny fihavanana aminy, araka ny ohabolana
2) fa entim-po ery izy
3) fa mora oriory.





1.Lanjan'ny fihavanana, araka ny ohabolana


Alohan'ny zava-drhetra io:
Tsy ny varotra no taloha, fa ny fihavanana
Alohan'ny fanambadiana , ny fihavanana

Koa na mamy manao ahoana aza ny vola, ny fihavanana ambony noho izany:
      Aleo very tsikalakalan-karena ,toy izay very tsikalakalam-pihavanana.

Koa na mba miady aza, ny fihavanana tsy avela ho simban'izany:
      Izay tsy miady, olom-bodo: fa izay to fo ,mamosavy
      Ady lova,ady fananana: fa ny fihavanana tsy azo hadinoina.

Koa tsy afa-po na oviana na oviana @ izay mba omeny ny havany izy:
      Tantely tapa-bata, ka ny fo no mameno azy.
      Tsy hanin-kahavoky tsy akory, fa nofon-kena mitam-pihavanana.
      Tapa-balala, ila aketa: izay kely ananana, zaraina.

Koa ny fo manome no tena zavatra, fa tsy dia izay zavatra omena:
      Aleo sosoa ampian-tsetsetra, toa izay hena matavy arahin-dromoromo.
      Aleo tsaroan-tsy enina, toa izay voky tsy tsaroana.

Koa faran'izay loza izany hoe fihavanan-drava:
      Raha ny rano no taitra, mahavaky fefiloha: fa raha ny fo no taitra, maharava fihavanana.
      Lalina ny rano, azo lakanina, lalina ny hady, azo toharana: fa ny ratsy ataon-kavana no tsy azon-kevitra.

Koa tandremana toa ny anakandriamaso:
     Mifankatia mifanisy ratsy, ka izay nahavita be no manenina.
     Ny havana, lelafin-katelina.

2. Entim-po ery ny Malagasy

a) mahavita zava-tsy fahita, raha efa entin'ny fony

     Zavarin'ny fitia manan-tombo, ka intelo no mifampiarahaba
     Raha tezitra, toa ny andriana; fa raha mionona, olona ihany
     Tiam-bady, ka mahay miteny
     Matoky fitia, ka mahay miresaka
     Raha tsy ny faladia no mivadika, raha tsy Itasy no indrain-tsotro, tsy  avelako tsy ho tonga any aho
     Raha soasoa no ataon-dRahavana: izaho irery mahatan-kadivory, roa lahy mahatosika arivo
     Raha soasoa ny fihavanana: na Ambohijanahary aza hietry, na Itasy aza ho tototra
     Raha mahare teny tsy tiana: ny marary tonga manaritra, ny malemy tonga matanjaka
     Manisy soa olona, ka mandoa aty amin'afero.
     Izay tia, mahafoy.

b) miketaka ho azy ny heriny, raha tsy mahatsiaro fihavanana

    Raha mitari-bato tsy mihoraka, very ny androatokon'aina; raha mifankatia tsy miresaka, very ny androatokom-pihavanana
    Ilaozanao mbola nanaritra aho,ka ny hanina anao no androatokon'aretina

d) hadino ny sisa, raha mahita fihavanana

   Asesiky ny fitia sy ny hanina(alahelo havana), ka tsy mahalala masoandro ho faty
   Mpihavana no mitafasiry, ka ny masoandro maty no mampalahelo
   Antaifito mody, tsy manala dimatika(fa may loatra)